-
BROYEUR
Ilaina ny mamboatra fitaovana hahafahana mamotipotika ny tahon-javatra havadika zezika haingana kokoa sy handrakofana ny fambolena @ fotoana mangatsiaka. Ireto misy sary ahafahana maka inspiration @ fanamboarana azy.
-
TSY ATAO MITSANGANA
Manampy ny force de Coriolis dia ilaina ny mamorona microclimat ao anatin’ilay faribolana misy ny andriny rehefa mamboly tsaramaso na haricot vert kilometrika. Ny ravin’ny tsaramaso mandady dia lasa alokan’ny tany ka miaro ny tany @ masoandro mivantana izany mampivadika entona ny hamandoana @ tany. Izany hoe na tsy manondraka intsony dia mijanona sy miforona…
-
FAMBOLENA POIVRE
Ilay boutures no malaky indrindra noho ny mamboly voany ary izay no ho zaraina androany. Amin’ny mafàna andro no anapahana ny tahony hatao boutures. Mila raviny 3 farafahakeliny miaraka @ tahony ho tapahana. Ilay tahony tanora latsaky ny 6 volana no tapahana. Ny taho notapahana t@ poivre tanora no haingana fitsiry sy mora mamorona faka.…
-
COURBE DE NIVEAUX
Mampihena ny fikaohan’ny rano ny nofontany Manamora ny fitantanana ny rano. Mampitovy ny fitsikan’ny rano @ tanimboly. Mora asaina ny tany rehefa marindrano. Vita hoazy ny drainage, izany hoe tsy dobondrano ny tanimboly. Mora ny mikolokolo ny fambolena. Mihena ny herin’ny rivotra araka ny sary fanehoana
-
KATSAKA LAVITRA TOMPO
Mila mitandrina rehefa lavitra ny toerana fambolena na maniraka olona manaramaso mba tsy ho azon’ny toa izao.
-
TONGOLO GASY
Rehefa manomboka midina ny maripàna no tsara ambolena ny tongolo gasy atao voly avotra. Aleo pH 6, izany hoe asidra ny tany hambolena azy. Tsy atao asa lalina fa 20cm ny vadikasa dia mety tsara. Rarahana zezika organika 1kg isaky ny m² vao vita asa. Alentika 4cm ny voany hambolena. Elanelanina 10cm ny sakany ary…
-
MANGAHAZO MIFAHY
1- Manao lavaka 1.25m x 1.25m x 1.25m. 2- Fenoina zezika na kômpôsta rano iray ny 80 cm. 3- Asiana ⅓ fasika + ⅓ tany + ⅓ zezika afangaro tsara ireo ary atao eny ambony. 4- Alona herinandro ao anaty ranonana tainomby ny tahony misy masony dimy rehefa notatahana amin’ny lame ny telo hasitrika anaty…
-
FANJARIANTANY & RIVOTRA
Rehefa ratsy ny aménagement dia mora andairan’ny rivotra ny vary antanety. Ny rivotra mahery dia mampatory ny vary. Io ilay antsoina hoe « verse ». Mahabetsaka ny akofa izy io. Rehefa betsaka ny rivotra dia tratran’ny stress physique ny tahombary sy ny ravimbary hany ka marefo ary mora andairan’ny aretina. Stress mécanique no fiantsoana azy io. Ny…
-
DRAINAGE & CANALISATION
Misy nametraka fanontaniana tany @ vondrona FIVOARANA SAHAZA VVZ momba ny olana mahazo azy nasehony sary dia valiako eto araka ny fahitako ny sary. Misy vokany ny tsy fanaovana canalisation secondaire sy canalisation tertiaire @ fambolem-bary antanety. ▪︎ Sepotra ny fakany. Rehefa tsy ampy ny drainage dia mihandrona ny rano ary saturé ny tanimbary ary…
-
FAMBOLENA LANDIHAZO
Mila hafanana sy masoandro ny landihazo. Mihoatra ny 25°C ny maripàna tiany. Rehefa mampitsiry azy no mahazaka maripàna manodidina ny 20°C izy. Alona ao anatin’ny rano matimaty (mihoatra ny 25°C) mandritra ny 24ora ny voany mba hanafaingana ny fitsiriny. Alentika 2cm @ tany ary atao 40cm ny elanelany. Tondrahana intelo isan-kerinandro ary 2dl isaky ny…